Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Timoty 5:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).

19. Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.

20. Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.

21. Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.

22. Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.

23. Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.

Vakio ny toko manontolo 1 Timoty 5