Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tesaloniana 2:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.

10. Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,

11. toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,

12. mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.

13. Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.

Vakio ny toko manontolo 1 Tesaloniana 2