Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 9:15-27 Malagasy Bible (MG1865)

15. Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.

16. Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!

17. Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.

18. Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara.

19. Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.

20. Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;

21. tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;

22. tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.

23. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.

24. Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.

25. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.

26. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;

27. fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 9