Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Korintiana 5:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;

8. ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.

9. Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga;

10. nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.

11. Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.

12. Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?

13. Fa ny any ivelany dia tsarain'Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.

Vakio ny toko manontolo 1 Korintiana 5