Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Zakaria 3:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.

2. Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?

3. Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.

4. Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.

5. Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.

6. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:

Vakio ny toko manontolo Zakaria 3