Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 3:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.

2. Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.

3. Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.

4. Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.

5. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

6. Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.

7. Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.

8. Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.

9. Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.

10. Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

11. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

12. Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,

13. satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.

14. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Nomery 3