Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 28:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva

4. (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),

5. ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.

6. Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

7. Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.

8. Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

9. Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.

10. Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.

11. Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,

12. ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,

13. ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

14. Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.

15. Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.

16. Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Nomery 28