Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 22:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny Zanak'Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

2. Ary Balaka, zanak'i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon'ny Isiraely tamin'ny Amorita.

3. Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan'ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak'Isiraely.

4. Dia hoy izy tamin'ny loholon'ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak'i Zipora, no mpanjakan'i Moaba tamin'izany andro izany.

5. Dia naniraka olona izy ho any amin'i Balama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny Ony, dia eo amin'ny tanin'ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;

6. koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin'ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.

7. Dia nandeha ny loholon'ny Moabita sy ny loholon'ny Midianita nitondra ny saran'ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin'i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin'i Balaka.

8. Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain'i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin'i Balama ireo andrian-dahin'i Moaba.

9. Ary Andriamanitra nankao amin'i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?

10. Dia hoy Balama tamin'Andriamanitra: Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:

11. Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 22