Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 13:6-20 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;

7. ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.

8. Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.

9. Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.

10. Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.

11. Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.

12. Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.

13. Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.

14. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.

15. Ary tamin'izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin'ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin'ny andro nivarotany hanina.

16. Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin'ny taranak'i Joda sy tany Jerosalema tamin'ny Sabata;

17. Dia nifandahatra tamin'ireo manan-kaja amin'ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?

18. Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.

19. Ary raha vao malomaloka ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny Sabata ary notendreko ny zatovoko sasany hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin'ny andro Sabata.

20. Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 13