Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 13:20-25 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ka dia nandry teo ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;

21. dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.

22. Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben'ny famindram-ponao.

23. Ary tamin'izany andro izany dia hitako ny Jiosy izay efa nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;

24. ary ny antsasaky ny zanany dia nanao tenin'ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.

25. Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 13