Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 6:22-33 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.

23. Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.

24. Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.

25. Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;

26. dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.

27. Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.

28. Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,

29. dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.

30. Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.

31. Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.

32. Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.

33. Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 6