Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 6:18-29 Malagasy Bible (MG1865)

18. Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.

19. Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.

20. Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

21. Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.

22. Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.

23. Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.

24. Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.

25. Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;

26. dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.

27. Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.

28. Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,

29. dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 6