Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 4:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.

5. Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.

6. Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?

7. Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.

8. Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.

9. Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy

10. Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.

11. Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.

12. Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.

13. Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.

14. Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 4