Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 3:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,

2. mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;

3. dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata.

4. Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.

5. Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

6. Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.

7. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.

8. Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.

9. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.

10. Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.

11. Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

12. Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 3