Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 13:3-14 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.

4. Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.

5. Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.

6. Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.

7. Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny

8. Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatį»³ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

9. Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.

10. Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.

11. Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.

12. Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?

13. Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.

14. Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 13