Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 9:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.

11. Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.

12. Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.

13. Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:

14. Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 9