Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Malakia 2:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:

2. Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.

3. Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.

4. Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

5. Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.

6. Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.

7. Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.

8. Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.

9. Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna.

Vakio ny toko manontolo Malakia 2