Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 8:29-36 Malagasy Bible (MG1865)

29. Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.

30. Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.

31. Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.

32. Ary izay sisa amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.

33. Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.

34. Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.

35. Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.

36. Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 8