Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 4:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:

3. raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.

4. Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.

5. Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana;

6. ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;

7. ary hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

8. Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,

9. ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany,

10. tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.

11. Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,

12. dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.

13. Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,

14. rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 4