Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 3:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.

2. Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

3. Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy

4. sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.

5. Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.

6. Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.

7. Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.

8. Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 3