Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 16:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;

2. dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.

3. Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.

4. Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.

5. Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.

6. Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.

7. Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

8. Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.

9. Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.

10. Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.

11. Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.

12. Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.

13. Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.

14. Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 16