Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 14:49-57 Malagasy Bible (MG1865)

49. Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.

50. Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;

51. dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.

52. Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.

53. Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.

54. Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,

55. ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,

56. ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,

57. hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 14