Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 13:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;

3. koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.

4. Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.

5. Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;

6. ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

7. Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.

8. Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 13