Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 8:18-29 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.

19. Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.

20. Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.

21. Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.

22. Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.

23. Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.

24. Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.

25. Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.

26. Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.

27. Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.

28. Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.

29. Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.

Vakio ny toko manontolo Josoa 8