Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 7:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.

2. Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.

3. Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.

4. Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.

5. Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.

6. Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.

7. Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!

8. Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?

9. Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?

10. Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?

Vakio ny toko manontolo Josoa 7