Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 22:26-34 Malagasy Bible (MG1865)

26. Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,

27. fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.

28. Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.

29. Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.

30. Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.

31. Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.

32. Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.

33. Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.

34. Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Josoa 22