Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 18:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.

6. Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.

7. Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.

8. Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.

9. Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.

10. Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.

11. Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.

12. Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,

13. hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,

14. dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.

15. Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,

16. dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,

17. dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,

18. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.

19. dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.

20. Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.

Vakio ny toko manontolo Josoa 18