Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 11:13-23 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.

14. Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.

15. Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

16. Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,

17. hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.

18. Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.

19. Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.

20. Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

21. Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.

22. Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.

23. Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.

Vakio ny toko manontolo Josoa 11