Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 11:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,

2. ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana,

3. dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.

4. Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.

5. Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.

6. Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.

7. Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.

8. Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

9. Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.

10. Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.

11. Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.

Vakio ny toko manontolo Josoa 11