Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jona 4:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.

2. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza.

3. Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.

4. Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

5. Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.

6. Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.

7. Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.

8. Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.

Vakio ny toko manontolo Jona 4