Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 8:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.

15. Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.

16. Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.

17. Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.

18. Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.

19. Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?

20. Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.

21. Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.

22. Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy? Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!

Vakio ny toko manontolo Jeremia 8