Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 6:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.

18. Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.

19. Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.

20. Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.

21. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.

22. Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;

23. Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.

24. Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.

25. Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.

26. Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

27. Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.

28. Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 6