Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 48:33-38 Malagasy Bible (MG1865)

33. Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.

34. Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.

35. Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.

36. Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.

37. Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.

38. Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 48