Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 46:14-25 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.

15. Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.

16. Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,

17. Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.

18. Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.

19. Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.

20. Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!

21. Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.

22. Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.

23. Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.

24. Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.

25. Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;

Vakio ny toko manontolo Jeremia 46