Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 44:24-30 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:

25. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.

26. Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.

27. Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.

28. Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.

29. Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

30. Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 44