Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 32:5-10 Malagasy Bible (MG1865)

5. ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.

6. Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:

7. Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.

8. Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.

9. Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.

10. Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 32