Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 25:21-37 Malagasy Bible (MG1865)

21. ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,

22. ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina;

23. ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,

24. ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;

25. ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,

26. ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.

27. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.

28. Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.

29. Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

30. Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.

31. Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.

32. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;

33. Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.

34. Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.

35. Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.

36. Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,

37. Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 25