Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 16:11-17 Malagasy Bible (MG1865)

11. dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.

12. Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;

13. Ka dia horoahiko hiala amin'ity tany ity ianareo ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, satria tsy hamindra fo aminareo Aho.

14. Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;

15. Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.

16. Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.

17. Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona amin'ny masoko ny helony.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 16