Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 13:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.

15. Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.

16. Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.

17. Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.

18. Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.

19. Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 13