Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 50:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.

2. Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.

3. Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.

4. Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay

5. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.

6. Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.

Vakio ny toko manontolo Isaia 50