Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 34:9-17 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.

10. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.

11. Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.

12. Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.

13. Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy.

14. Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.

15. Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.

16. Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.

17. Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.

Vakio ny toko manontolo Isaia 34