Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 30:19-30 Malagasy Bible (MG1865)

19. Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.

20. Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;

21. Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.

22. Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.

23. Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;

24. Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.

25. Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.

26. Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.

27. Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;

28. Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.

29. Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely;

30. Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.

Vakio ny toko manontolo Isaia 30