Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 13:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.

10. Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.

11. Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory.

12. Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.

13. Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.

14. Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy.

15. Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon'ny sabatra.

16. Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.

17. Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.

18. Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.

19. Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;

20. Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;

21. Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,

22. Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.

Vakio ny toko manontolo Isaia 13