Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 2:8-16 Malagasy Bible (MG1865)

8. Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.

9. Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.

10. Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an'i Bala,

11. Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.

12. Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.

13. Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.

14. Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.

15. Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.

16. Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.

Vakio ny toko manontolo Hosea 2