Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 2:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.

2. Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.

3. Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama.

4. Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;

5. Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.

6. Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.

7. Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.

8. Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.

9. Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.

Vakio ny toko manontolo Hosea 2