Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 41:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron'i Neily izy.

2. Koa, indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy teo Neily ka nihinana teny amin'ny bararata.

3. Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan'ireo ombivavy teo amoron'i Neily.

4. Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro Farao.

5. Ary natory indray izy ka nanonofy fanindroany; ary, indro, nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara.

6. Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny.

7. Ary ny salohim-bary maivam-boa nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Dia nahatsiaro Farao, koa indro fa nofy ihany izany.

8. Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran'i Farao tamin'ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin'i Farao.

9. Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:

10. Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.

11. Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.

12. Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

13. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 41