Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 37:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.

9. Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.

10. Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?

11. Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.

12. Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.

13. Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.

14. Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.

15. Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?

16. Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.

17. Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.

18. Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 37