Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 31:42-54 Malagasy Bible (MG1865)

42. Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.

43. Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?

44. Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.

45. Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.

46. Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.

47. Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.

48. Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.

49. Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.

50. Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.

51. Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;

52. dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatį»³ amiko kosa hanisy ratsy.

53. Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.

54. Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,

Vakio ny toko manontolo Genesisy 31