Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 27:35-42 Malagasy Bible (MG1865)

35. Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.

36. Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?

37. Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?

38. Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.

39. Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;

40. Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.

41. Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.

42. Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 27