Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 25:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.

2. Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.

3. Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.

4. Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.

5. Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.

6. Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.

7. Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.

8. Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.

9. Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,

10. dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.

11. Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.

12. Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :

13. Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama

14. sy Misma sy Doma sy Masa

15. sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.

16. Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.

17. Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .

Vakio ny toko manontolo Genesisy 25